Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 6:19-23 Malagasy Bible (MG1865)

19. Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.

20. Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka hitsena an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.

21. Ary hoy kosa Davida tamin'i Mikala: Teo anatrehan'i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon'i Jehovah, eny, teo anatrehan'i Jehovah no nitsinjahako.

22. Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin'ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho.

23. Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin'i Saoly.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 6