Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 5:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia tonga tao amin'i Davida tao Hebrona ny firenen'Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.

2. Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.

3. Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy.

4. Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.

5. Tao Hebrona no nanjakany tamin'ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.

6. Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin'ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.

7. Kanjo afak'i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany).

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 5