Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 24:13-25 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary Gada nankany amin'i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin'ny taninao? Sa handositra telo volana eo anoloan'ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto amin'ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any amin'izay naniraka ahy.

14. Dia hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.

15. Ka dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin'ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.

16. Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.

17. Ary nony hitan'i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin'i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko.

18. Ary Gada nankany amin'i Davida tamin'izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka manangàna alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.

19. Koa dia niakatra Davida araka ny tenin'i Gada, araka izay nandidian'i Jehovah.

20. Ary Araona nitsirika ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy, dia nivoaka izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka.

21. Ary hoy Araona: Ahoana no ahatongavan'ny mpanjaka tompoko atỳ amin'ny mpanompony? Dia hoy Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an'i Jehovah hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.

22. Fa hoy Araona tamin'i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanatitra izany. Indreo ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin'ny omby hatao kitay.

23. Izany rehetra izany, ry mpanjaka, dia omen'i Araona ny mpanjaka. Ary hoy Araona tamin'ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hankasitraka anao.

24. Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra fanatitra dora na ho an'i Jehovah Andriamanitro amin'izay azoko fotsiny aho. Ka dia novidin'i Davida sekely volafotsy dimam-polo ny famoloana sy ny omby.

25. Ary Davida nanao alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken'i Jehovah ny fifonana natao ho an'ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 24