Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 2:19-26 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary Asahela nanenjika an'i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an'i Abnera dia tsy nivily akory na tamin'ny ankavanana na tamin'ny ankavia.

20. Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.

21. Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.

22. Ary hoy indray Abnera tamin'i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona moa izay hamely anao hikarapoka amin'ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an'i Joaba rahalahinao?

23. Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian'i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin'izay. Ary izay rehetra tonga teo amin'ilay nikarapohan'i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.

24. Ary Joaba sy Abisay dia nanenjika an'i Abnera; ka nony tonga teo amin'ny havoana Ama izy, izay tandrifin'i Gia amin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Gibeona, dia maty ny masoandro.

25. Ary ny taranak'i Benjamina niangona teo amin'i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo an-tampon'ny havoana anankiray.

26. Ary Abnera niantso an'i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran'izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny?

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 2