Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 18:3-10 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanàna ianao.

4. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan'ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan'arivo.

5. Ary ny mpanjaka nandidy an'i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin'i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian'ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin'i Absaloma.

6. Ka dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin'ny Isiraely, ka rafitra tao amin'ny alan'i Efraima ny ady;

7. ary resy tao ny lehilahy amin'ny Isiraely teo anoloan'ny mpanompon'i Davida, ka be dia be no ringana androtrizay, dia olona roa alina.

8. Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; ka ny matin'ny ala androtrizay dia be noho ny matin'ny sabatra.

9. Ary Absaloma nifanehatra tamin'ny mpanompon'i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin'ny rantsan-kazo mikirindro tamin'ny hazo terebinta, ka voahazon'ny hazo terebinta ny lohan'i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany.

10. Ary nisy lehilahy anankiray nahita izany, dia nanambara tamin'i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin'ny hazo terebinta Absaloma.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 18