Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 18:20-32 Malagasy Bible (MG1865)

20. Fa hoy Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny zanakalahin'ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao.

21. Ary hoy Joaba tamin'ilay Kosita: Andeha, ambarao amin'ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary ilay Kosita niankohoka teo anatrehan'i Joaba, dia lasa nihazakazaka.

22. Fa Ahimaza, zanak'i Zadoka, dia mbola niteny tamin'i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona?

23. Ka nahoana aza, hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia niezaka tamin'ny lalana eny amin'ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an'ilay Kosita.

24. Ary Davida nipetraka teo anelanelan'ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin'ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka.

25. Ary ny mpitily niantso ka nilaza tamin'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia ho teny mahafaly no entiny. Ary mbola nanatona anatona ihany ralehilahy.

26. Ary ny mpitily nahita lehilahy iray koa nihazakazaka, dia niantso ny mpiandry vavahady izy nanao hoe: Indry koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka: Mitondra teny mahafaly ihany koa izy.

27. Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak'i Ahimaza, zanak'i Zadoka, no fihazakazak'iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany.

28. Ary Ahimaza niantso ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Fiadanana! sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay efa nanolotra ny olona nanainga tanana hikomy amin'ny mpanjaka tompoko.

29. Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin'ny nanirahan'i Joaba ny mpanompon'ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony.

30. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mitanilà kely ary, ka mijanòna etsy; dia nitanila izy ka nitoetra teo.

31. Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin'izay rehetra nitsangana hikomy aminao.

32. Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay Kosita: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 18