Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 18:10-19 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary nisy lehilahy anankiray nahita izany, dia nanambara tamin'i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin'ny hazo terebinta Absaloma.

11. Ary hoy Joaba tamin'ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin'ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao?

12. Fa hoy ralehilahy tamin'i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian'ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an'i Absaloma zatovo.

13. Tsy misy zavatra azo afenina amin'ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy.

14. Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin'ny fon'i Absaloma, raha mbola velona teo amin'ny hazo terebinta izy.

15. Ary nisy tovolahy folo, mpitondra ny fiadian'i Joaba, nanodidina an'i Absaloma ka namely azy ho faty.

16. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niverina avy nanenjika ny Isiraely ny vahoaka, satria niantran'i Joaba izy.

17. Dia nalain'ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin'ny lainy avy.

18. Ary fony mbola velona Absaloma, dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangam-bato ho azy tao an-dohasahan'ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; ary dia nataony araka ny anaran'ny tenany ihany ilay tsangam-bato, ka mbola atao hoe: Fahatsiarovana an'i Absaloma no anarany mandraka androany.

19. Dia hoy Ahimaza, zanak'i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin'ny mpanjaka ny amin'ny nanomezan'i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin'ny fahavalony.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 18