Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 14:8-15 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin'izany.

9. Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin'ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin'ny ankohonan'ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.

10. Dia hoy ny mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento etỳ amiko, dia tsy haninona anao intsony izy.

11. Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an'i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin'ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin'ny zanakao.

12. Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin'ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.

13. Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon'Andriamanitra? Fa amin'ny, itenenan'ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsi-fampodian'ny mpanjaka ilay noroahiny.

14. Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin'ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain'olona, fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny.

15. Fa izaho no tonga hilaza izany zavatra izany amin'ny mpanjaka tompoko, ny olona no nampitahotra ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin'ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin'ny mpanompovaviny.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 14