Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 14:24-33 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.

25. Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an'i Absaloma teo amin'ny Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.

26. Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan'ny taona no nanaratany azy; fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan'ny mpanjaka.

27. Ary Absaloma niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy tsara tarehy izy.

28. Ary Absaloma nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny tavan'ny mpanjaka ihany izy.

29. Ary Absaloma dia naniraka tany amin'i Joaba, mba hanirahany azy ho any amin'ny mpanjaka, fa tsy nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray Absaloma, fa mbola tsy nety nankany ihany Joaba.

30. Koa dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin'i Joaba mifanolotra amin'ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin'ny afo izany. Ary ny mpanompon'i Absaloma dia nandoro ny tanimbary.

31. Ary Joaba niainga nankany amin'i Absaloma tao an-tranony ka nanao taminy hoe: Nahoana ny mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin'ny afo?

32. Fa hoy Absaloma tamin'i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin'ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan'ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny.

33. Ary Joaba nankany amin'ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain'ny mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka; ary dia nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 14