Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 14:17-27 Malagasy Bible (MG1865)

17. Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin'ny mpanjaka tompoko; fa ta-haka Ilay Anjelin'Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao.

18. Ary ny mpanjaka namaly an-dravehivavy hoe: Aza dia afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko.

19. Ary hoy ny mpanjaka: Moa saina nomen'i Joaba va izany rehetra lazainao izany? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain'ny mpanjaka tompoko na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.

20. Ny hampiova tarehy ny raharaha no nanaovan'i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka Ilay Anjelin'Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin'ny tany.

21. Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany: koa andeha, alao hody Absaloma zatovo.

22. Dia niankohoka tamin'ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran'ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin'ny nanaovan'ny mpanjaka araka ny nangatahin'ny mpanompony.

23. Dia niainga Joaba nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema Absaloma.

24. Ary hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.

25. Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an'i Absaloma teo amin'ny Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.

26. Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan'ny taona no nanaratany azy; fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan'ny mpanjaka.

27. Ary Absaloma niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy tsara tarehy izy.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 14