Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 5:16-27 Malagasy Bible (MG1865)

16. Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa.

17. Ary hoy Namana: Masìna ianao, moa tsy homena tany zakan'ny ampondra roa va izaho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony ho an'ny andriamani-kafa, fa ho an'i Jehovah ihany.

18. Nefa ny amin'izao zavatra izao dia aoka havelan'i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin'ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin'izany zavatra izany.

19. Ary hoy izy taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa lavidavitra.

20. Fa hoy Gehazy, zatovon'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin'ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.

21. Ka dia lasa Gehazy nanaraka an'i Namàna Ary nony tazan'i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin'ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?

22. Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin'ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin'ny tany havoan'i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.

23. Ary hoy Namàna: Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin'ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo.

24. Fa nony tonga tao amin'ny havoana izy, dia nalainy teny an-tànany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy.

25. Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan'ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao.

26. Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin'ilay nihodina niala tamin'ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin'oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman'osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao?

27. Koa ny habokan'i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 5