Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 5:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Namàna, komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan'ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen'i Jehovah an'i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.

2. Ary ny Syriana nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely; ary nanompo ny vadin'i Namana io.

3. Ary hoy io tamin'ny tompovaviny: Enga anie ka mba ao amin'ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin'ny habokany izy.

4. Ary niditra Namana ka nilaza tamin'ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain'ilay zazavavy izay avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely.

5. Dia hoy ny mpanjakan'i Syria: Andeha ary mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely ary akanjo im-polo miova teny an-tànany.

6. Ary izy nitondra ny taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Ary raha tonga atį»³ aminao ity taratasy ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha an'i Namàna mpanompoko aho hankatį»³ aminao, koa sitrano amin'ny habokany izy.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 5