Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 24:11-20 Malagasy Bible (MG1865)

11. Dia tonga koa Nebokadnezera, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony.

12. Ary Joiakina, mpanjakan'ny Joda, nivoaka nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny tandapany; ary nentin'ny mpanjakan'i Babylona izy tamin'ny taona fahavalo nanjakany.

13. Ary navoakan'i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, tao amin'ny tempolin'i Jehovah, araka izay nolazain'i Jehovah.

14. Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin'ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.

15. Ary nitondra an'i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka sy ny tandapa sy ny lehilahy mahery amin'ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona.

16. Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin'ny mpanjakan'i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.

17. Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka hisolo an'i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany.

18. Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.

19. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Joiakima.

20. Fa ny fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 24