Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 21:7-23 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary ny sarin'i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin'ny trano nolazain'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.

8. Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay nomeko ny razany Aho, raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy araka ny lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy mpanompoko azy ihany izy.

9. Nefa tsy nihaino izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon'ny jentilisa, izay naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.

10. Ary Jehovah nampilaza ny mpaminany mpanompony hoe:

11. Satria Manase, mpanjakan'ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon'ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin'ny sampiny,

12. dia izao kosa no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin'i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.

13. Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan'i Samaria sy ny pilaon'ny taranak'i Ahaba; ary hamaoka an'i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa.

14. Ary hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho babon'ny fahavalony rehetra izy,

15. satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin'ny andro nivoahan'ny razany avy any Egypta ka mandraka androany.

16. Ary na dia ny rà marina aza dia nalatsak'i Manase be dia be mandra-pamenony an'i Jerosalema rehetra, ho fanampin'ny ota izay nampanotany ny Joda tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah.

17. Ary ny tantaran'i Manase sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny fahotana izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?

18. Ary Manase lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina teo an-tanimboly eo ala-tranony amin'ny sahan'i Oza; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.

19. Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Mesolemeta, zanakavavin'i Haroza, avy any Jotba.

20. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy tahaka ny nataon'i Manase rainy.

21. Fa nandeha tamin'ny lalana rehetra izay efa nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin-drainy sady niankohoka teo anatrehany.

22. Ary nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin'ny lalan'i Jehovah.

23. Ary ny mpanompon'i Amona mpanjaka nikomy taminy ka namono azy tao an-tranony.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 21