Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 6:48-62 Malagasy Bible (MG1865)

48. Ary ny loka azon'ny taranak'i Merary araka ny fokony dia tanàna roa ambini ny folo avy tamin'ny firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.

49. Dia nomen'ny Zanak'i Isiraely ho an'ny Levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy.

50. Ary nomeny tamin'ny filokana ireto tanàna tononina ireto avy tamin'ny firenena taranak'i Joda sy ny firenena taranak'i Simeona ary ny firenena taranak'i Benjamina.

51. Fa ny sasany amin'ny fokon'ny taranak'i Kehata dia nahazo tanàna avy tamin'ny firenen'i Efraima.

52. Ary nomeny azy Sekema, tanàna fiarovana, tao amin'ny tany havoan'i Efraima sy ny tany manodidina azy ary Gazera sy ny tany manodidina azy

53. ary Jokmeama sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy

54. ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy;

55. ary ny avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Amera sy ny tany manodidina azy ary Bileama sy ny tany manodidina azy, dia ho an'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa.

56. Ary ny an'ny taranak'i Gersona dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy ary Astarta, sy ny tany manodidina azy avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase;

57. ary ny avy tamin'ny firenen'Isakara dia Kadesy sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy

58. ary Ramota sy ny tany manodidina azy ary Anema sy ny tany manodidina azy;

59. ary ny avy tamin'ny firenen'i Asera dia Masala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy

60. ary Hokoka sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny tany manodidina azy;

61. ary ny avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy ary Hamona sy ny tany manodidina azy ary Kiriataima sy ny tany manodidina azy.

62. Ary ny an'ny sisa, taranak'i Merary, dia avy tamin'ny firenen'i Zebolona, dia Rimono sy ny tany manodidina azy ary Tabara sy ny tany manodidina azy;

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 6