Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 4:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Dia naniraka nankany Silo ny olona haka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima; ary tao Silo, teo amin'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra, izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.

5. Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany.

6. Ary rehefa ren'ny Filistina ny hoby, dia hoy izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin'ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny fiaran'i Jehovah.

7. Dia raiki-tahotra ny Filistina ka nanao hoe: Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary hoy koa izy: Mahita loza isika! fa tsy mbola nisy toy izao.

8. Mahita loza isika! Iza no hamonjy antsika amin'ny tànan'ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin'ny kapoka rehetra tany an-efitra.

9. Mahereza, ary aoka hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo ianareo tahaka ny nanompoany anareo; misehoa ho lehilahy ianareo, ka miadia.

10. Ary niady ny Filistina, dia resy ny Isiraely, ka samy nandositra ho any an-dainy avy izy rehetra, ary be dia be no maty, dia lehilahy telo alina mandeha an-tongotra tamin'ny Isiraely no niampatrampatra.

11. Dia lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, ary maty izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 4