Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 29:7-10 Malagasy Bible (MG1865)

7. Koa miverena, ary mandehana soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak'ireo andrianan'ny Filistina.

8. Fa hoy Davida tamin'i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin'ny mpanomponao hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin'ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko?

9. Ary Akisy namaly an'i Davida hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin'Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan'ny Filistina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy.

10. Koa mifohaza maraina koa ianao mbamin'ny mpanompon'ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa nifoha maraina ianareo, ka mazava ny andro, dia mandehana.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 29