Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 23:4-18 Malagasy Bible (MG1865)

4. Dia nanontany tamin'i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.

5. Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin'ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin'i Davida ny mponina tao Keila.

6. Ary raha nandositra nankany amin'i Davida tany Keila Abiatara, zanak'i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy.

7. Ary nambara tamin'i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin'ny tanàna misy vavahady mihidy.

8. Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an'i Davida sy ny olony.

9. Ary fantatr'i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin'i Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda.

10. Dia hoy Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, efa ren'ny mpanomponao tokoa fa Saoly mitady hankatỳ Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko.

11. Ka moa ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina etỳ va Saoly toy ny efa ren'ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, ambarao amin'ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.

12. Dia hoy Davida: Ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan'i Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra anao izy.

13. Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin'izay azony naleha. Ary nolazaina tamin'i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.

14. Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin'ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin'ny tany havoana tany an-efitr'i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan'andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.

15. Ary hitan'i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr'i Zifa tany anaty ala.

16. Ary Jonatana, zanak'i Saoly, niainga, dia nankany amin'i Davida tany an'ala ka nampahery ny tànany tamin'Andriamanitra.

17. Ary hoy izy tamin'i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan'i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin'ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr'i Saoly raiko koa izany.

18. Ary nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an'ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 23