Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 23:16-28 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary Jonatana, zanak'i Saoly, niainga, dia nankany amin'i Davida tany an'ala ka nampahery ny tànany tamin'Andriamanitra.

17. Ary hoy izy tamin'i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan'i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin'ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr'i Saoly raiko koa izany.

18. Ary nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an'ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.

19. Ary niakatra nankany amin'i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin'ny batery fiarovana any an'ala, any amin'ny havoana Hakila, izay atsimon'ny efitra, va Davida?

20. Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian'ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay hatolotra eo an-tànan'ny mpanjaka izy.

21. Ary hoy Saoly: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.

22. Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.

23. Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin'ny tany izy, dia hotadiaviko eran'ny arivon'i Joda rehetra.

24. Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an'i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin'ny efitr'i Maona, tamin'ny tani-hay atsimon'ny efitra.

25. Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin'i Davida izany, ka dia nidina tany amin'ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr'i Maona. Ary nony ren'i Saoly izany, dia nanenjika an'i Davida tany an-efitr'i Maona izy.

26. Ary Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin'ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an'i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an'i Davida sy ny olony hisambotra azy.

27. Dia nisy iraka tonga tao amin'i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.

28. Dia niverina Saoly tamin'ny nanenjehany an'i Davida ary nandeha niady tamin'ny Filistina; ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 23