Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 22:16-23 Malagasy Bible (MG1865)

16. Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra.

17. Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpiambina izay teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny mpisoron'i Jehovah; fa ny tànan'ireo koa momba an'i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon'ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'i Jehovah.

18. Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mihodina ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy.

19. Dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan'ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman'osy.

20. Ary ny anankiray tamin'ny zanak'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an'i Davida.

21. Ary Abiatara nanambara tamin'i Davida ny namonoan'i Saoly ny mpisoron'i Jehovah.

22. Ary hoy Davida tamin'i Abiatara: Fantatro androtr'iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin'i Saoly tokoa; koa izaho no anton'ny nahafaty ny olona rehetra tamin'ny tarana-drainao.

23. Tomoera etỳ amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 22