Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 20:13-24 Malagasy Bible (MG1865)

13. dia hataon'i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain'ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin'ny raiko anie Jehovah.

14. Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran'i Jehovah mba tsy hahafaty ahy?

15. Ary tsy hesorinao amin'ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan'i Jehovah ny fahavalon'i Davida rehetra tsy ho etỳ ambonin'ny tany.

16. Ary dia nanao fanekena Jonatana ny amin'ny taranak'i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny fahavalon'i Davida.

17. Ary Jonatana nampianiana an'i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy.

18. Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Rahampitso ho tsinam-bolana; ary ho hita fa tsy eo ianao, fa ho foana ny fipetrahanao.

19. Koa rehefa mby amin'ny andro fahatelo dia midìna faingana ianao, ary tongava ao amin'ilay nierenao tamin'ny andro nitrangan'ilay raharaha iny, ka mitoera ao anilan'ny vato Ezela.

20. Ary izaho handefa zana-tsipìka telo eo anilany, toy ny mikendry marika.

21. Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin'ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento etỳ, dia avia ianao, fa hipetraka amin'ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah.

22. Fa raha hoy kosa aho amin'ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no nampandeha anao.

23. Ary ny amin'ilay noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay.

24. Ary Davida niery tany an-tsaha. Koa nony tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 20