Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 17:32-40 Malagasy Bible (MG1865)

32. Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin'io Filistina io.

33. Fa hoy Saoly tamin'i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.

34. Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin'ny ondry,

35. dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka matiko.

36. Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy.

37. Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.

38. Ary Saoly nampiakanjo an'i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin'ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra.

39. Ary Davida namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin'i Davida izany.

40. Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 17