Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 15:13-31 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary Samoela tonga teo amin'i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin'i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin'i Jehovah aho.

14. Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman- osy ren'ny sofiko izany sy ny fimàmàn'ny omby reko?

15. Ary hoy Saoly: Avy tany amin'ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman'osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay ihany avokoa.

16. Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain'i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary.

17. Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan'ny firenen'Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely;

18. ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.

19. Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon'i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin'ny babo ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah?

20. Fa hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nihaino ny feon'i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin'izay nanirahan'i Jehovah ahy ary nitondra an'i Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra.

21. Nefa nangalan'ny olona ondry aman'osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin'ny zavatra haringana,1 mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala.

22. Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy.

23. Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.

24. Ary hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin'i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.

25. Koa ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah.

26. Fa hoy Samoela tamin'i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin'i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan'ny Isiraely intsony.

27. Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin'i Saoly ny sisin'akanjony ka triatra.

28. Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Efa notriarin'i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan'Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.

29. Ary koa, ny Tokin'ny Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina.

30. Fa hoy Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa, masìna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan'ny loholoko sy eo anatrehan'ny Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.

31. Ary Samoela dia niverina nanaraka an'i Saoly indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 15