Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 14:30-47 Malagasy Bible (MG1865)

30. Ka mainka fa raha navela hihinanan'ny olona ny babo azony tamin'ny fahavalony, tsy ho nahafatesana be lavitra va ny Filistina?

31. Ary izy ireo namely ny Filistina tamin'izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona.

32. Dia nanaovan'ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby izy, dia namono azy teo amin'ny tany, ka dia nohanin'ny olona mbamin'ny ràny.

33. Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin'ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe etỳ amiko anio.

34. Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin'ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin'i Jehovah amin'ny fihinanana zavatra mbamin'ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin'izany alina izany ka namono azy teo.

35. Ary Saoly nanao alitara ho an'i Jehovah; io no alitara voalohany naoriny ho an'i Jehovah.

36. Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan'ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an'Andriamanitra etoana.

37. Ary Saoly nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan'ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr'iny.

38. Ary hoy Saoly: Manatona etỳ, ianareo loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay nahatonga izao fahotana androany izao?

39. Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin'i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.

40. Dia hoy kosa izy tamin'ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ataovy izay sitrakao.

41. Dia hoy Saoly tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy Saoly no notànany, fa afaka ny olona.

42. Ary hoy Saoly; Manaova filokana ny amiko sy Jonatana zanako. Ary Jonatana no notànany.

43. Dia hoy Saoly tamin'i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin'ny tendron'ny tehina tetỳ an-tanako aho, ary, indro, tsy maintsy ho faty aho.

44. Dia hoy Saoly: Hataon'Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana.

45. Fa hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin'ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany, fa niara-niasa tamin'Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an'i Jonatana, ka dia tsy maty izy.

46. Ary Saoly niakatra rehefa avy nanenjika ny Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa nankany amin'ny taniny.

47. Ary Saoly nahazo ny fanjakan'Isiraely ary niady tamin'ny fahavalony rehetra manodidina, dia tamin'ny Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan'i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 14