Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 13:14-23 Malagasy Bible (MG1865)

14. Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin'i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah anao ianao.

15. Dia niainga Samoela ka niala tany Gilgala hankany Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nandamina ny olona izay teo aminy, dia tokony ho enin-jato lahy reny.

16. Ary raha mbola nitoetra tany Gibean'ny Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny vahoaka teo amin'izy roa lahy, ary ny Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy.

17. dia nivoaka nanao telo toko ny mpandrava avy teo amin'ny tobin'ny Filistina: ny iray toko nizotra tamin'ny lalana mankany Ofra ho any amin'ny tany Solala;

18. ary ny iray toko nizotra ho any amin'ny lalana mankany Beti-horona; ary ny iray toko kosa nizotra ho any amin'ny lalana mankany amin'ny fari-tany manatrika ny lohasaha Zeboima tandrifin'ny efitra.

19. Ary teny amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy sabatra na lefona ny Hebreo.

20. Ka dia samy nidina ho any amin'ny Filistina ny Isiraely rehetra hanasa ny fangadiny sy ny fiasàny sy ny famakiny ary ny fihadia-taniny.

21. Nefa nanana tsofa ihany izy handranitany ny fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana sy ny famaky ary handranitany ny fanindronan-omby.

22. Ary tamin'ny andro niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tànan'ny vahoaka rehetra izay eo amin'i Saoly sy Jonatana; fa tamin'i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nisy.

23. Ary ny avy tao amin'ny miaramilan'ny Filistina nivoaka ho ao amin'ny hadilanana mankany. Mikmasy.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 13