Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 12:18-23 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary Samoela niantso an'i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin'izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an'i Jehovah sy Samoela indrindra.

19. Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin'i Samoela: Mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrao ho an'ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin'ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.

20. Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an'i Jehovah; fa manompoa Azy amin'ny fonareo rehetra.

21. Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo.

22. Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak'i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.

23. Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin'i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 12