Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 9:19-28 Malagasy Bible (MG1865)

19. ary ny tanàna fitehirizana rehetra izay nananan'i Solomona sy ny tanàna fitoeran'ny kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly sy izay tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra.

20. Ary ny olona sisa rehetra tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Zanak'Isiraely,

21. dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny tany, izay tsy azon'ny Isiraely naringana avokoa, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.

22. Fa ny Zanak'Isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany; fa izy kosa no miaramila sy mpanompony sy komandy sy mpanafika malaza sy komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.

23. Izao no isan'ny mpifehy ny olona voatendry izay nitandrina ny asan'i Solomona: dimam-polo amby dimam-jato lahy no mpifehy ny mpiasa.

24. Ary rehefa niakatra avy any an-Tanànan'i Davida ny zanakavavin'i Farao hankany amin'ny tranony izay nataon'i Solomona ho azy, dia nanao an'i Milo koa izy.

25. Ary intelo isan-taona no nanateran'i Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo ambonin'ny alitara izay naoriny ho an'i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin'ny alitara teo anatrehan'i Jehovah izy. Ka toy izany no nahavitany ny trano.

26. Ary Solomona mpanjaka nanao sambo tao Ezion-gebera, izay ao anilan'i Elota, ao amoron'ny Ranomasina Mena, amin'ny tany Edoma.

27. Ary Hirama nampandeha ny vahoakany tamin'ny sambo, dia matilô izay nahay ranomasina, hiaraka amin'ny vahoakan'i Solomona.

28. Ary nankany Ofira ireo, dia naka talenta volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 9