Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 8:62-66 Malagasy Bible (MG1865)

62. Ary ny mpanjaka sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia namono zavatra hatao fanatitra eo anatrehan'i Jehovah.

63. Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an'i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny Zanak'Isiraely rehetra ny tranon'i Jehovah.

64. Ary androtr'io ihany no nanamasinan'ny mpanjaka ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana.

65. Ary tamin'izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin'ny folo andro.

66. Ary nony tamin'ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon'i Jehovah tamin'i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 8