Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 8:12-27 Malagasy Bible (MG1865)

12. Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy.

13. Efa nanao trano hitoeranao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.

14. Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),

15. ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:

16. Hatramin'ny andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran'ny anarako; fa nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.

17. Ary efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

18. Nefa hoy Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an'ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.

19. Kanefa kosa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an'ny anarako.

20. Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.

21. Ary nasiako fitoerana teo ho an'ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta.

22. Ary Solomona nitsangana teo anoloan ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany nanandrify ny lanitra

23. ary nanao hoe. Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na amin'ny lanitra ambony na amin'ny tany ambany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra,

24. sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy, fa nolazain'ny vavanao izany dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.

25. Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany handehanany eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.

26. Koa ankehitriny ry Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i Davida raiko mpanomponao.

27. Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 8