Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 7:46-51 Malagasy Bible (MG1865)

46. Teo amin'ny tany amoron'i Jordana no nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga teo anelanelan'i Sokota sy Zaretana.

47. Ary tsy nolanjain'i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan'ny varahina.

48. Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin'ny tranon'i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran'ny mofo aseho,

49. ary ny fanaovan-jiro, dimy amin'ny ankavanana ary dimy amin'ny ankavia, teo anoloan'ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;

50. ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin'ny lela-varavaran'ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin'ny lela-varavaran'ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa.

51. Toy izany no nahavitana ny asa nataon'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 7