Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 7:31-39 Malagasy Bible (MG1865)

31. Ary ny vavan'ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin'ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin'io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin'ny faladia, ary tamin'ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory.

32. Ary ny kodia efatra dia teo ambanin'ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin'ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon'ny kodia.

33. Ary ny fomban'ny kodia dia tahaka ny amin'ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa.

34. Ary nisy sorony efatra tamin'ny zorony efatra amin'ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin'ny fitoeran-tavin-drano ireo.

35. Ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy.

36. Fa ny koban'ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy liona ary hazo rofia, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina.

37. Tahaka izany no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy.

38. Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin'ny fitoerany folo.

39. Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan'ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian'ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe nataony teo ankavanan'ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 7