Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 6:12-22 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ny amin'ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin'i Davida rainao;

13. ary hitoetra ao amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko.

14. Ary nataon'i Solomona ny trano, ka dia vitany.

15. Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin'ny vodi-rindrina ka hatramin'ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon'ny trano.

16. Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin'ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin'ny vodirindrina ka hatramin'ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masina indrindra.

17. Ary ny lavan'ny ati-trano lehibe teo anoloan'io dia efa-polo hakiho.

18. Ary ny sedera amin'ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin'ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho.

19. Nanisy efitra anatiny tao anatin'ny trano izy hametrahany ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.

20. Ary teo anoloan'ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara.

21. Ary nopetahan'i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin'ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan'ny efitra anatiny; ary nopetahany takela-bolamena koa ny alitara.

22. Izao ati-trano rehetra izao dia nopetahany takela-bolamena avokoa; ary ny alitara momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany takela-bolamena avokoa.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 6