Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 3:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Solomona tonga vinanton'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin'i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan'i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon'i Jehovah ary ny màndan'i Jerosalema manodidina.

2. Kanefa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, fa tsy mbola nisy trano vita ho an'ny anaran'i Jehovah hatramin'izany andro izany.

3. Ary Solomona tia an'i Jehovah ka nizotra araka ny dian'i Davida rainy; nefa kosa izy mbola namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany.

4. Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza; ka fanatitra dorana arivo no naterin'i Solomona teo amin'izany alitara izany.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 3