Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 21:3-12 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa hoy Nabota tamin'i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako.

4. Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain'i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.

5. Ary Jezebela vadiny nankeo aminy ka nanao taminy hoe: Ahoana no mampahasosotra anao toy izao, no tsy mety homan-kanina ianao?

6. Dia hoy izy taminy: Satria niteny tamin'i Nabora Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.

7. Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin'ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita.

8. Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahaba, ka notombohiny tamin'ny fanombohan-kasen'andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin'ny loholona sy ny manan-kaja tao an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin'i Nabota.

9. Ary izao no nosoratany tao amin'ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary apetraho eo anatrehan'ny olona Nabota.

10. Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.

11. Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan'i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin'ny taratasy izay nampitondrainy tany aminy.

12. Dia niantso andro fifadian-kanina izy ka nametraka an'i Nabota teo anatrehan'ny olona.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 21