Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 13:9-22 Malagasy Bible (MG1865)

9. fa izao no tenin'i Jehovah nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin'izay lalana efa nalehanao.

10. Dia nandeha tamin'ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin'ilay nalehany ho any Betela.

11. Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon'ilay lehilahin'Andriamanitra androtr'iny tao Betela; ary nolazain'ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin'ny mpanjaka.

12. Ary hoy rainy taminy: Aiza no lalana nalehany ? Fa ny zanany efa nahita ny lalana nalehan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay tonga avy tany Joda.

13. Ary hoy izy tamin'ny zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky hitaingenany, ka dia nitaingenany.

14. Ary dia nanaraka ilay lehilahin'Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda ? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy.

15. Dia hoy izy taminy: Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-kanina.

16. Fa hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano aminao atỳ aho,

17. satria tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin'ny lalana efa nalehanao.

18. Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.

19. Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.

20. Ary raha mbola nipetraka teo amin'ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin'ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin'i Jehovah;

21. ary izy niteny mafy tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao,

22. fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin'ny tany izay nandraran'i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 13