Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 12:22-33 Malagasy Bible (MG1865)

22. Kanjo tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, kosa ny tenin'Andriamanitra nanao hoe

23. Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina rehetra ary amin'ny vahoaka sisa hoe:

24. Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin'i Jehovah.

25. Ary Jeroboama dia nanamboatra an'i Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an'i Pehoela koa.

26. Ary Jeroboama nanao anakampo hoe: Izao ny fanjakana dia hody amin'ny taranak'i Davida ihany;

27. fa raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin'ny tranon'i Jehovah any Jerosalema ny vahoaka, dia hody amin'ny tompony indray ny fony dia amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, ary dia hamono ahy izy ka hiverina any amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, indray.

28. Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin'ny olona: "Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô" indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.

29. Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.

30. Ary izany zavatra izany dia tonga fahotana; fa ny olona dia nandeha hivavaha teo anatrehan'ny anankiray amin'ireo hatrany Dana.

31. Ary nanao trano teny amin'ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan'ny taranak'i Levy.

32. Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin'ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin'ny fitoerana avo izay notendreny.

33. Ary nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an'ny Zanak'Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 12