Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 12:2-13 Malagasy Bible (MG1865)

2. Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany tamin'izy nandositra niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka;

3. ka dia naniraka naka azy ny olona), dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka niteny tamin-dRehoboama hoe:

4. Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay, fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.

5. Fa hoy kosa izy taminy: Mandehana aloha, ka raha afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.

6. Ary Rehoboama mpanjaka naka hevitra tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?

7. Dia hoy ireo taminy: Raha mety ho mpanompon'ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.

8. Nefa nolavin-dRehoboama ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy

9. ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay

10. Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;

11. koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.

12. Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin'ny andro fahatelo.

13. Ary ny mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny saina nomen'ireo zoki-olona azy izy

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 12