Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 12:11-20 Malagasy Bible (MG1865)

11. koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.

12. Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin'ny andro fahatelo.

13. Ary ny mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny saina nomen'ireo zoki-olona azy izy

14. ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.

15. Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin'i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama, zanak'i Nebata.

16. Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.

17. Fa ny Zanak'Isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama .

18. Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Isiraely rehetra nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.

19. Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.

20. Ary rehefa ren'ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin'ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin'ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak'i Davida afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 12