Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 11:34-40 Malagasy Bible (MG1865)

34. Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin'ny andro rehetra hiainany noho ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko;

35. fa hesoriko eo an-tànan'ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany.

36. Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an'i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.

37. Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin'izay rehetra irin'ny fanahinao ary ho mpanjaka amin'ny Isiraely.

38. Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary homeko anao ny Isiraely.

39. Ary hampietry ny taranak'i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.

40. Ary Solomona nitady hamono an'i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin'i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin'i Solomona.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 11