Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 11:19-33 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason'i Farao, ka dia ny rahavavin'i Tapanesa, vadin'ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny.

20. Ary ny rahavavin'i Tapanesa niteraka zazalahy tamin'i Hadada, dia Genobata, izay notazan'i Tapanesa tao an-tranon'i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin'ny zanakalahin'i Farao tao an-dapa.

21. Ary rehefa ren'i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin'ny razany, sady maty koa Joaba, komandin'ny miaramila, dia hoy izy tamin'i Farao: Alefaso aho hody any amin'ny tanin-drazako.

22. Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody any amin'ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho.

23. Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an'i Solomona, dia Rezona, zanak'i Eliada, izay efa nandositra an'i Hadadezera tompony, mpanjakan'i Zoba.

24. Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin'ny namonoan'i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.

25. Ary izy koa dia fahavalon'ny Isiraely tamin'ny andron'i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon'i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.

26. Ary Jerobeama, zanak'i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon'i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka.

27. Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka: Solomona nanorina an'i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan'i Davida rainy;

28. ary Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony hitan'i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy, dia nataony mpifehy ny taranak'i Josefa tamin'ny fanompoany rehetra.

29. Ary tamin'izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha.

30. Dia noraisin'i Ahia ny lamba vaovao-izay notafiny, ka notriatriariny ho roa ambin'ny folo.

31. Ary hoy izy tamin'i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin'ny tànan'i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo

32. (nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin'i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely),

33. satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr'i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak'i Amona, fa tsy nandeha tamin'ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an'i Davida rainy.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 11