Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 11:12-23 Malagasy Bible (MG1865)

12. Kanefa kosa tsy hataoko amin'ny andronao izany noho ny amin'i Davida rainao; fa rehefa mby amin'ny zanakao vao hendahako aminy.

13. Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin'i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.

14. Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an'i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan'ny mpanjakan'i Edoma.

15. Fa rehefa nanafika an'i Edoma Davida, ary Joaba, komandin'ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany

16. (fa enim-bolana no nitoeran'i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany),

17. dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin'izay.

18. Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.

19. Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason'i Farao, ka dia ny rahavavin'i Tapanesa, vadin'ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny.

20. Ary ny rahavavin'i Tapanesa niteraka zazalahy tamin'i Hadada, dia Genobata, izay notazan'i Tapanesa tao an-tranon'i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin'ny zanakalahin'i Farao tao an-dapa.

21. Ary rehefa ren'i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin'ny razany, sady maty koa Joaba, komandin'ny miaramila, dia hoy izy tamin'i Farao: Alefaso aho hody any amin'ny tanin-drazako.

22. Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody any amin'ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho.

23. Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an'i Solomona, dia Rezona, zanak'i Eliada, izay efa nandositra an'i Hadadezera tompony, mpanjakan'i Zoba.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 11