12. Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.
13. Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin'ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.
14. Ary nanao ambainy koa tamin'ny volon'osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no nanaovany azy.
15. Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.
16. Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.
17. Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo antsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.
18. Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.
19. Ary nanao rakotry ny lay tamin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
20. Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely izy.
21. Folo hakiho ny hahavon'ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zana-kazo iray.
22. Ary lahiny roa no amin'ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin'ny tabernakely.
23. Ary nanao ny zana-kazo ho amin'ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo.
24. Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin'ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo hiorenan'ny lahiny roa.
25. Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.
26. Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo.
27. Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin'ny lafin'ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.
28. Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely tamin'ny lafiny ivoho izy.
29. Ary nakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin'ny zorony roa.
30. Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.