Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 7:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin'izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy?

2. Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy.

3. Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.

4. Ary amin'izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalàna noho ny tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra.

5. Fa fony tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalàna, no niasa tao amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana.

6. Fa ankehitriny dia efa afaka tamin'ny lalàna isika, satria maty ny amin'izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra.

7. Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17).

8. Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.

9. Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.

10. Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.

11. Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy.

12. Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara.

13. Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna.

14. Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota.

Vakio ny toko manontolo Romana 7