Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 3:22-31 Malagasy Bible (MG1865)

22. dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa,

23. fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra,

24. nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy,

25. Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany,

26. mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy.

27. Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalàna manao ahoana? amin'ny lalàn'ny asa va? Tsia; fa amin'ny lalàn'ny finoana.

28. Koa amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny lalàna.

29. Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny jentilisa koa;

30. fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin'ny finoana.

31. Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.

Vakio ny toko manontolo Romana 3