Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 15:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.

2. Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.

3. Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9).

4. Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.

5. Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy,

6. mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika.

7. Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra.

8. Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin'ny razana,

9. mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49).

10. Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43).

11. Ary koa: Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1).

12. Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10).

13. Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.

14. Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.

Vakio ny toko manontolo Romana 15