Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 13:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra.

2. Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.

3. Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao;

4. fa mpanompon'Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora'fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon'Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy.

5. Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.

6. Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.

7. Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.

8. Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.

9. Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona (Eks. 20. 13-17), mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).

Vakio ny toko manontolo Romana 13