Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 1:27-32 Malagasy Bible (MG1865)

27. ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.

28. Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,

29. ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,-

30. mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,

31. tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;

32. dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.

Vakio ny toko manontolo Romana 1