Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 8:4-14 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian'i Mosesy ho vavolombelona amin'ireo.

5. Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy

6. nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin'ny paralysisa ka mijaly loatra.

7. Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.

8. Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.

9. Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin'ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.

10. Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza.

11. Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra;

12. fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

13. Ary Jesosy niteny tamin'ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankizilahy.

14. Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin'i Petera nandry teo nanavin'ny tazo.

Vakio ny toko manontolo Matio 8