Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 5:40-46 Malagasy Bible (MG1865)

40. Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.

41. Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.

42. Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao.

43. Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao.

44. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,

45. mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.

46. Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?

Vakio ny toko manontolo Matio 5