Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 5:32-43 Malagasy Bible (MG1865)

32. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.

33. Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin'i Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12).

34. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany;

35. na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.

36. Aza mianiana amin'ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.

37. Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy.

38. Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify (Eks. 21. 24).

39. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.

40. Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.

41. Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.

42. Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao.

43. Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao.

Vakio ny toko manontolo Matio 5